Mana sisa andrasana (Tsilaitra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irediredy isika raha irehaka ahavita
Anafoana ity krizy amin'ny endrim-pifidianana
Raha tsy ny fifanomezan-tanana
Hioitra ny ho tsara no raketina an-tsaina

Irediredy isika ka iambo ny hiampita
Tetezan-tokana malama, mideza sady lava
Kanefa ny hefitrefitra tsy mbola nisy rava
Mbola he manjaka ny havakava-tava

Irediredy isika ka hiantso sy ikiaka
Famonjena ho an'ny tena
Nefa he ty Firenena, mbola an-katerena
Mandadilady sady Menan'ny fitiavanten'
ireo tsy matahotody sy mpivaro-tanindrazana (...)
Efa mana sisa andrasana

Irediredy isika raha iandry masoandro iray baliaka
Anaty kotroka sy zavona
Kanefa didy jadona sy teny zary an'avona
No entina mandrindra ny asa sy famindra
Koa mahareta indrindra, fa mana sisa andrasana (...)
Ho tonga am-baravaram-pasana

Tsilaitra (oct 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
1634 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilaitra
Nampiditra : tsila
Daty : 07/10/2010 09:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102