ZAKAO (Tsilaitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako mba ilamina ny tany andrianiko;
Iriako mba iadana ianao ry Nosy Mamiko.
Saingy ny mpitondra anay indraindray
Variana miady seza sy manao antsojay
ny amin'ny fiandriananao.

Ka akory aloha atao
Fa ny bandikely mbola revo
Mampijaly, manadevo ny Malagasy namany
Ka toa andrandramany
tsy misy fandinihana
ny fitondranana Anao sy ny asa izay atao

Tiako mba ijanona ny tabatabanao
Iriako mba ho tapitra ny rà nilatsaka ao
Kanefa he mihombo sy mirongatra tsy tàna
ny fandikan-dalàna
Etsy sy eroa
Tsy nisy mba nifoha hanaitra indray maraina.
Ny vahoaka mantsy efa mila ho afak'aina
Osa sy ongaina sady tsy afaka miteny
amin'zavatra toy ireny.

Ontsa ery ny foko mandre ny lazanao
kanefa akory atao
Safidy ka zakao

Tsilaitra (mars 2010)
--------
Rohy:
1744 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilaitra
Nampiditra : tsila
Daty : 24/03/2010 12:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101