HISAORAKO ANAO IZANY, (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hisaorako tokoa
Hianao ry jesoa
Satria
Ianao no tena be fitia

Raha ny fahafantarana
Dia kely monja
Fa noho ny fananana
Dia nambininao aho tamin'ireo onja

Fa notiavinao aho
Ka nesorina ireo talao
Nataonao tahaka ny hendry
Nomena fahaizana na dia tsy olon-kendry

Na dia tsy eto amiko
Ianao, hinoako fa mahaheno
Ao ireo nalamiko
Hiandrandrana fanampiana avy aminao mba hameno

Ka hisaorako anao izany
Na dia aho monina eto an-tany
Ka misaotra tokoa re ry tompo
Tamin'ireo famelanao ireo hadisoko

Hery ianao ka mamahana
Tsy misy tsara ankoatra anao ra namana
Misaotra ka mankasitraka
Ny hafa mihevitra anao ho fitapitaka

Fa izaho matoky tanteraka
Raha mbola amin'ny fanompoana anao
Izaho tsy hanao tain-kireraka
Fa tena hifikitra amin'ny fitiavanao


FK MAHAVITA :20/19/2025
_______KAZARY_______
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fiainana - Tanindrazana
155 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111