MBA MIANGAVY (Kazary2006)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady kely moa Neny
Henoy aho mba hiteny
Aminao irery
Izay mety efa fantatrao ery

Tsy dia misy inona fa izao
Lazaiko ihany mba ho henonao
Henoy fa zava-dehibe
Ho lazaiko aminao ity ange

Efa ela ka hatramin'izao
Anio izy vao ho lazaiko
Satria mibaha toerana am-poko ao
Ka mikiky ny aiko

Aza omen-tsiny aho fa resy
Ela, nozakaiko ihany nefa tsy mety
Anio izy ho haborako
Tsy hisy hafenina fa ho fongorako

Tsy saisay
Raha hilaza izao
Fa ny teneko rehetra no mitaray
Ka mila miteny aminao

Aza hatao hahatezitra
Aoka ianao mba hitony
Ao ianao sao hihevitra
Ny lazaiko hoe: hoe tsisy antony akory

Misy tokoa fa izao
Mila ny fakatoavanao
Ny indray andro toy ny arivo izao
Ny foto-dresako dia ny fitiavako anao

Mibaha toerana
Ao anatiko ao
Mikiky tsy misy fahataperana
Ka voatery lazaiko aminao

Zava-dehibe avy aty amiko
Na dia toy ny inona eo aminao
Fa ny fitiavanao no mba hindramiko
Raha toa ka azo hatao

Tsy voatazona ka nambara
Teneno ny havalinao fa ho raketiko tantara
Na teny kely monja dia tsara
Fa zaho manantena anao ho anjara


FK_MAHAVITA :30/12/2025
_______Kazary_______
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Alahelo - Fitiavana
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115