TENA MARINA (Kazary2006)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany alina
Ilay andro tiako
Izay any am-po lalina
Anio izy no ho toriko

Razazavavy
Avia kely moa azafady
Aza dia misaitsaina
Fa mahazoa toerana maka aina

Tsy misy inona fa izao
Mifantoa ka henoy ny teniko izao
Ny ao am-po miafina
Anio izy no tsy maintsy mitsikafina

Ratovivavy
Mialatsiny aho ka miangavy
Enoy ny teniko fa tsy sangisangy
Fa tena fahamatorana avy ao anaty

Tsy misy inona fa izao
Efa hatrin'ny ela fa mbola amin'izao

Toa ianao foana no jerena
Miavaka amin'ny maro
Ny fiheverako anao toa harena
Tsy azo na hamidy na hafangaro

Aza raisina ho tsy famatorana
Na ny teniko toa vazivazy
Fa anio izay ato am-po ho fotopotorana
Maniry anao aho ry tovovavy

Tsy misy inona fa izao
Ny tiako hatongavana
Dia tiako ianao
Amin'ilay tena fitiavana
No hitiavako anao
...
Tena marina ny lazaiko
Ao am-poko lalina
Izay novokarin'ny aiko mban'ny saiko
Dia fitiavana tena marina


FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______


1
--------
Rohy:
158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0867