Adala ve aho?(tohiny) (Zickanna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny latsapaka hoy aho
satria tsy mety lefo ny fitiavako
tsy mba nampihemotra aho
na dia vaky hatramin' ny vavako
ny tehamaina etsy andaniny
efa tsy lazaina intsony
ny eo ankilany moa
dia ny daka sy totondry

tsita tsony e fa refa voa
dia ny mivavaka no atao
nefa ho adala ve ilay Ray
hoe efa voa vao hitalaho ?
Mafy zany tena mafy
mafy noho ny maty reny
nefa adala ve aho
raha miaritra an'ireny ?


Asa anjaranao no mitsara
fa mafy anie rehefa tia e
dia tsy hanameloka ve ianao
sa hitsaraivelatsihy ?
Hoy ianao angamba hoe :
fa lany ve ty lehilahy ?
No dia miaritra ny mafy
ka mampijaly ny fanahy?
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - fiainana - Fitiavana
1286 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 15/08/2010 17:44)
Mafy tokoa izany !...nefa mahereza e! aza mamoifo na inona na inona miseho...Misy farany ny zava-drehetra. Mbola ho avy ary antenao ilay marainan-dohataona.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zickanna
Nampiditra : lala9
Daty : 13/08/2010 17:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156