NY FITIAVAKO (Zickanna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ho tantaraiko eto ny tantaram-pitiavako
ka mba raiso ka vakio fa ho anao ry havako

raha vao niandoha monja ny fiarahanay
dia toa nahita anjely aho tamin'izay
na fiaina io na toetra na fihetsika ihany koa
fa tena mba nanaitra sady nampifaly fo
Dia lasa ny fotoana ary nandeha teny ny andro
dia mbola nitondra hafanana toy ny masoandro
satria tafaray reto tia sy ny manina
ka rehefa tafahoana toa tsy mahatsiaro hanina

Nifankatia fa samy tia dia niara- dia teny ho eny
ka tapa-kevitra ary fa hiseho ray aman-dReny
tapan- kevitra fa andeha ka hijanona any herinandro
ary niainga ny ampitso vita sakafo atoandro
Tonga tany aminay ka hafaliana no nasehon'izy ireo
satria izy sy neny moa nifankalala rahateo
ka dia nifanaraka tokoa nanomboka hatreto
ka ny hafaliana no feno sy nametsovetso


Indrisy, anefa,hoy ianao, fa inona ty nitranga ?
Fa vao tsy tapitra akory ilay herinandro nalaza,
dia nisy feo toa nandrahona fa lasa ialahy mandeha,
Tsy maitsy miala teto ra tsy te ho tapa-pe
Gaga aho tamin'izay no tsy nahaloa-peo
fa dia niandry sy nihaino ilay feonao nitoreo
fa dia inona no antony no dia tsy nisy hoe ahoana ?
Fa dia taim-bava no misesisesy foana ?

Nilaza neny tamin'izay fa vavan'olona no nilaza
fa ianao dia tsy misy fotony fa zanaka mahantra
tsy manana ambaraventy, sady ambanivohitra
fa be gesta fotsiny no sady lehilahy bohaka,
Lasa ianao mandeha izao mba tsy isian'ny arakaraka,
fa olona mpitakarina, ka mivoaha fa ny varavarana malalaka
f'angah tsy mahita ho hanina ka aty aminay no milangalitika?
fa ny ahy zanako tsy manambady raha tsy zanaka ministra

Dia nalahelo aho ary tena nalahelo,fa dia nahoana loatra ?
Fa ilay olon-tiako no voailika noho ny vavam-bahoaka ?
Izay tsy voaporofo hoe tena marina tokoa ve sa fialonana ?
Tsy mino izany aho fa tiako foana ianao ary ny fisianao dia ampy ho fiononana
Dia lasa tokoa izy izay tsy mba nisy na dia vola ariary,
Moa noheverinao hoe mbola aiza moa ty elanelan-tany ?
Ny andro nefa hariva,tsy hoe hariva fotsiny fa maizina tokoa
nefa aiza ianao no hatory ry ilay olon-tiko fa toa manao kitoatoa ?




Ety anefa tsy mba misy singan'olona iray fantatraao akory ?
Ka tena ontsa re ny foko e, ontsa e,ontsa sady ory
ny alina tontolo tsy natory akory,nieritreritra hoe mba aiza moa ianao hipetraka?
Dia ho faty any ve sanatria noho ireo mpihetraketraka ?

Ny latsalatsa tamin'izay nifafy tamiko avokoa
fa naninona, hono, no tsy nanaraka ty vadiny ramatoa ?
Nitomany aho,tomany foana mandrapaharaina ny andro
fa tsy tia ahy intsony ireto olona nahitako ny masoandro
Maraina vao mangiran-dratsy,vao tamin'ny dimy tamin'izay
injay nisy sioka tokana tany antsimon-tranonay
dia lasa aho nandeha, nitsoriaka sy nisitrika
hay ilay olon-tiko no indro tamy mba hibitsika

Tamin'izay dia vao teny alavitra aho dia nitomany sy nitsetra
toa zary malahelo avokoa ny voaary hitako rehetra
teo izahay dia nifamihina sady nanafatra izy tamiko
fa ho tia anao foana aho, dia ianao ilay tena mamiko
Dia niteny taminy aho tao anatin'ny alahelo sy ranomaso
Handeha tokoa ianao rahavako,dia andeha noho ny akaso ?
Eny e ! na iza no hanakana na iza hisetrasetra,
dia efa nafoiko ho anao ny fitiavako rehetra

Dia ranomaso no nifandaozana fa izy andeha halavitra
tamin'io anefa izy tsy nanana izay mba vola hanofana ny fiaran-dalana
taty amiko tsy mba nisy na dia kely akory mba hatolotra
ka dia nandeha, niroso, 42km natao dia an-tongotra
Tsy mba nisy na sakafo na dia ranokely hosotroina
fa dia nandeha tamin'izao sady nitelin-drora
indrisy ry lay notiaviko fa dia nahoana loatra?
no dia amintsika avokoa no mianjady fahoriana rehetra?
--------
Rohy:
3293 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 13/08/2010 18:06)
Tantara marina ve ity ???
Misy mahavita izany tokoa ve ???
kolesy ( 15/08/2010 16:52)
Raha tena marina izy ity, dia izany koa no tena tia... (ilay nandao no resahiko eto an! fa tsy ilay nilaozana)
Misy mahavita ve hoy ianao ? Tena misy mahavita ka.. mihoatra lavitra noho izay aza ny an'ny sasany; saingy tsy re !
Zozoro ( 15/08/2010 17:36)
Ilay Ray aman-dReny mintsy no tena mampatahotra raha mahavita izany amin-janaka...Fitiavana anie io fa tsy vola na harena e! Fa angaha hoe amidy ity zanaka ray olona e! raha tsy manam-bola sy harena ve dia tsy azo tiavina? ... tena gaga amin-draolombelona aho...
lala9 ( 16/08/2010 16:48)
tantara tena marina io ary tena niantra tamiko ny ahy aloha mba lefitro ihany fa ny an'ilay olntiko dia niteraka aretina ho azy mihitsy e tena mba gaga za ahoe fa dia inona loatra re ty olmbelona ty e??
rajosiazico ( 28/08/2010 06:18)
tena marina io tantara io ary ts misy lainga fa asa isika na mba efa tratra fa za aloha tena efa tratra ee ary tratranzany notantarain'ny sasany zavatra ts mis akory entina andravana ny fiarahanay nefa de reraka fotsiny reny..... zany no atao hoe tena fitia TIAKO FOANA ENO na mahatra na manankarena na inon'inona miseo
rajosiazico ( 28/08/2010 06:20)
tena marina io tantara io ary ts misy lainga fa asa isika na mba efa tratra fa za aloha tena efa tratra ee ary tratranzany notantarain'ny sasany zavatra ts mis akory entina andravana ny fiarahanay nefa de reraka fotsiny reny..... zany no atao hoe tena fitia TIAKO FOANA ENO na mahatra na manankarena na inon'inona miseo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zickanna
Nampiditra : lala9
Daty : 12/08/2010 17:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143