Adala ve aho? (Zickanna)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny aho ry aiko
mafy zany tia
fa hiaretana avokoa
na daroka na tsia
tsy vitan' izany akory
fa ianao zary boto
sady izay koa
hampinanany maloto?

Tsy ianao no tamin' ny toerako
ka faly ianao mamaky
fa ho ahy ny fandeferako,ampy
hampitony ny ao anaty
Eny e !
adala angamba hoy ianao
no dia miaritra ny mafy ?
Nefa aoka ho tsapanao,
fa tia aho,
ary mandrapahafaty !



Ka na inona niseho
na inona nihantra
dia tsymba niala teo
ilay kala « latsapaka »
(mbola hitohy)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zickanna
Nampiditra : lala9
Daty : 12/08/2010 16:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163