May aho.... (Ventso ny nofiko (Thierry))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
❣️ May aho ❣️

Mandoro mahamay tsy tanty
ilay afo mivaivay avy ao anaty
Mandoro mahamay tsy voafefy
Rehefa izy mirehitra diso refy

Hafana no tadiavina sy hilaina
fa tsy afo mivaivay sy migaina
Afo-mpitiavana natao hamelona
fa tsy afo ampody ho lavenona

Hitady ny mamy ho atelina
fa tsy ngidy miaro-nenina
fahasambarana no hiriana
Fa tsy hoe hisedra fijaliana

Fitiavana tsy misy fiafarany
no nantenaiko tamin'izany
ankehitriny nanjary may sy kila
tsy tazana etsy na eroa f'efa dila

May aho fa nilalao afo an-tanana
Very fa tojo fiviliana sy sapanana
May aho ka amin'iza no hitaraina
Adala aho ka mbola tsy tonga saina

May aho,mitsirepirepy lasamborona
Kila firehitra hany ka may vita sorona
Lavo aho, midaraboka amin'ny tany
May aho, maty aho, zay ny fiafarany

❣️Ventso ny nofiko ❣️
02/ 02/24
RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry
--------
Rohy:
112 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko (Thierry)
Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 05/02/2024 18:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141