Avelao aho ho irery (Ventso ny nofiko (Thierry))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
❣️Avelao aho ho irery❣️

Avelao aho ho irery
hitanondrika hipetraka
Lavo tsy misy mpijery
Mila ho kivy sy ketraka

Ankehitriny aho resy
nalahelo, rotsa-tomany
Tojo sedra mifanesy
Tsy nahitana mamy

Avelao aho ho irery
ho sakaizam-pahanginana
Fiangaviana fa tsy an-tery
hiainako ampilaminana

Anio ny saiko ho alamiko
andeha hamakivaky ny tontolo
F'ilay fitiavanao nindramiko
Inoako tsy misy hahasolo

Ka avelao aho ho irery
hamalona ny pejin'ny lasa
Ka ho faranako ny teny
ny amintsika efa voafafa

averiko, foana ilay teny
averiko mba ho tadidy
Hoe: avelao aho ho irery
Hamela raki-tsarobidy.....

❣️Ventso ny nofiko❣️
Patrick Thierry Randriambololona 25/01/24
--------
Rohy:
294 3
Hevitra mandeha
Ventsonynofiko ( 28/01/2024 03:49)
avelao aho ho irery
Hamela raki-tsarobidy....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko (Thierry)
Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 28/01/2024 03:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515