Rehefa maty aho... (Ventso ny nofiko (Thierry))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" † REHEFA MATY AHO...† "

Rehefa maty aho dia...
Aza arotsaka amiko ny ranomaso
aza atete na iray goty aza
f'efa sambatra aho lavitry ny akaso

Rehefa maty aho dia...
Aza tanisaina ireo vitako taloha
aza tanisaina fa tsy efako tsony
f'izaho ande hatory ka tsy hifoha

Rehefa maty aho dia...
Aza misaina ny amiko intsony
Aza malahelo ahy koa
F'efa lany ny pejiko ka avalony

Rehefa maty aho..
Aza atao fantatra ny amiko
Tantara ihany sisa ireny
Fa ny andro nomena ahy efa laniko

Rehefa maty aho...
Aza hanateram-boninkazo
Fa amboleo eo antokotany
Koloy tsara,aza avela halazo

Rehefa miala eto aho...
Tsena'ireo anjely any ankoatra
Izy ireo hametraka ahy
Eo amin'ilay toerana tsara voatra

Izao no mba afatra avelako
Tiavo izy raha mbola velona
Sao lahy lasa izy vao anenina
Ny rano raraka tsy azo averina

❣️? Ventso ny nofiko?❣️
RANDRIAMBOLONA Patrick Thierry 05/02/24
--------
Rohy:
124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko (Thierry)
Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 05/02/2024 18:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237