DIENY MBOLA.... (Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa))

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza hiandrasana efa dify
Vao hanome ny mamy ho azy
Mba tsy hotonga ny hoe indrisy!
Ka ho latsa-nenina sy hisazy

Aza avela handalo fotsiny
Ireo fotoana hananana azy
Fenoy fitia tsy sombiny
Dieny mbola mafy orina ny tady

Tiavo izy dieny mbola eo
Sao anio no fetra farany
F’aza hiandrasana efa leo
Vao hanaiky hoe malalany

Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
190 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 27/12/2023 13:30
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
IZY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137