'NDEHANA (Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa))

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Ndehana dia sambara f’aza mierika intsony
Efa izy no finidinao sy namafanao ny amiko
Aza rarahina fa aleo hozakaiko samirery
Ny ratram-poko sy ny ngidy izay tsy teliko
Eny e… 'Ndehana dia sambara!

Aza mierika akory na dia indray mitopy monja
Fa… tohizo ny lalanao dia sambara eo anilany
Avelao hokaloiko mangiana an-dranomaso eto ny lasa
Izay hinoako marimarina fa mbola sarotra hovoafafa
Saingy...'ndehana e, 'ndehana dia sambara!

Tsy hanozona aho akory fa mirarisoa ry tiako
Hiriko fatratra mba ho ampoka hasambarana ny ampitsonao
Holavitry ny sento, tsy hosembanin-jaly
'Ndehana sombinaiko, f’izy no efa hitanao fa hampifaly
'Ndehana dia sambara!

Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
128 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra (Tsiry Todisoa)
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 12/01/2024 11:44
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141