Ny endrikao (VOLOINA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao miandoha ny andro,
Mihiratra masoandro,
Ny endrikao no hitako;
Mitsiky lalandava,
Toa vony tsy ho rava,
Manaingo ny marainako.

Ny mitatao vovonana,
Masoandro eo an-tokonana,
Ny endrikao no hitako;
Mandrisika ahy hiampita,
Hanohy izay efa vita,
Ho vato hiranitako.

Maizimbava ny vilany,
Masoandro dify any,
Ny endrikao no hitako;
Mampisinda ny havizanana,
Vatana izay lanaka,
Manaisotra ny disako.

Ny endrikao ihany,
Ny endrikao hatrany,
Andavanandrom-piainako.
--------
Rohy:
1535 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/08/2011 12:43)
Raha toa tsy eo ianao dia ory aho mitoloko
Rehefa indro ianao fa tazako dia miontana ny foko
Feno fifalina, feno fihobina
F'ilay endrikao lalaiko mitondra antsam-pifalina
raozigasy ( 10/08/2011 16:52)
Vao miandoha ny marainako
Vao ilay taitra ny fisainako
Dia efa feno anao ny fiainako

Mandritra ny tontolo androko
Ianao mihitsy ilay masoandroko
Ka ny hahitana anao tsy andriko

Rehefa alina indray
Ianao ilay nofy mamy iray
Iondankondanan’ny fanahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLOINA
Nampiditra : ROMANZO
Daty : 10/08/2011 12:37
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096