F'IANAO (VONIELY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko hiraina,
hadera sy dradraina
ny hafaliako anaty.
Ho voady mandra-maty,


f’ianao no ilay fananako,
sarobidy loatra.
Tsy foiko, eny tanako
Tolorako ny saotra.


Fa fony isika nihaona
dia tao an-tsaina foana
‘lay endrika salovana,
na mafy aza lalovana


F’ianao tsy lany tsiky,
Mameno ireo voakiky,
Mampita angolam-peo,
ho solon’ny toreo.



Voniely - Novambra 2000
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1197 0
Hevitra mandeha
Oully ( 23/07/2007 21:00)
Tsara anie izy izany! Dia miandry izay hivoahan'izao ho tahiry ry Voniely.
DRZK ( 24/07/2007 07:00)
Misaotra e !
Ho eny an-tananao tsy ho ela re e ! Miandry kely fotsiny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VONIELY
Nampiditra : DRZK
Daty : 19/07/2007 19:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141