RAY Ô ! (VONIELY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako raha Avelanao
ireo hadisoako hatrizay,
Ireo fomba ratsiko fanao,
esory fa mangeja ahy


Iriko raha Diovinao
ny foko diso feno loto,
Sasao ho tonga vaovao,
Tonio tsy hisafotofoto


Mamiko raha Raisinao
ny tenako mba ho fanatitra,
Fa vonona aho hanompo Anao
na hikentrona sy hihaantitra


Tefeo aho Ray !
Tendreo ny diako
Inty aho Ray !
Jereo ny fisiako




Voniely - Janoary 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1443 1
Mpakafy: rakotoson7
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VONIELY
Nampiditra : DRZK
Daty : 19/07/2007 19:55
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163