NY TONTOLONY (VONIELY)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tana-mihovitrovitr’hirifiry mpanangoly
Lamba rovitrovitry
ny taona mpampahory
Trano petsapetsan’
oran-dava tsy fahita
Rindrim-bakivakim-
peta ratsiratsy vita
Izany no tontolony
Nefa tsy eo imolony
Ny sento sy taraina
Na hariva na maraina
Voniely – Jolay 2007
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana