Anjarako (Vonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjarako


Tsy hoe ny feonao na ny tsikinao
No nisarika ny foko
Fa lahatr’ Andriamanitra sy
Hery avy any an-danitra

Tsy hoe ny bikanao na ny teninao
No nitiavako anao
Fa ilay toetranao mambabo ny fanahy
Mahafinaritra ahy

Tsy noterena sanatria fa safidy tsotra izaho
Ny nandray ny tananao mba hitantana ahy
Safidy matotra tsara fatotra

N' aiza misy ahy na inona hatao
Ianao foana no ao an-tsaina
Raha irery aho indraindray
Manofy anao indray

Ny amiko rehetra alototro anao
Tsy mba misy fetra satria tiako ianao
Hihira ny fanahiko faly izy izao
Satria tojo anao

Tsy sangisangy na koa hoe kilalao
Tena vonona ny hitia
Isika roa hifampitantana
Eny amin’ ny alitara
Ho hitan’ ny ambany lanitra
Ho hamasinin’ Andriamanitra

Ny foko sy ny anao hitambatra ho izay
Tsy hisaraka mandrakizay
Ka ny voadiko anio
Ny ho tia anao mandrakizay

Raha ho avy ny ady mafy
Efa vonona ny hiafy
Ka tsy hifandao
Satria anjarako ianao

Raha ho avy ny andro iray
Tsy maintsy hody any amin’ ny Ray
Ho vovoka ny vatako
Mbola tokana ny teniko
Ianao ilay tiako
Ianao no anjarako
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy - Namana - FITIAVANA
5357 1
Mpakafy: neo83
Hevitra mandeha
mini ( 24/07/2004 11:33)
Tojo an' ilay olona tia zay ny mpanoratra eto.Efa ela no niandrasany an' izany.Faly izy ary vonona ny hiara-dia @ ilay nofidiany.Satria lahatr' Andriamanitra ho azy sady Anjarany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjy
Nampiditra : mini
Daty : 23/07/2004 17:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156