Dada (Vonjy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Dada »

Raha vao tonga ny andro
Nahatongavako teto an-tany
Dia efa teo ianao ry Dadako

Nitombo taona aho
Teo anilanao
Raha maditra aho
Nofaizinao

Raha misy mahafaly
Na mampahory
Tokana ny teniko
Aiza ny Dadako

Toa hadino indraindray
Fa ianao kay
Mitady sy miafy
Mba hahatafita ahy

Tonga ilay andro
Mangidy teto an-tany
Nodimandry ianao
Ry Dadako izany

Manana finoana aho
Fa any ny andro izay
Mbola hihaona isika
Any an-danitra any

Ka tsy hisy intsony
Ny sento sy tomany
Satria anilanao ry dadako mamy

Ampio aho ry Dada
Mba ho hendry tsara
Ka tsy haditra intsony
Fa mba ho zanakao reharehanao
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fanantenana
2193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjy
Nampiditra : mini
Daty : 24/07/2004 11:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148