You are here: home > Vetso

Ianao 'lay siramamy - Voromailala

Noaroaroako tsy 'hakijanona
Ilay fitivako t'anaty
Tsy nety mamy tsy nety vanona
Tsy naharitra ela dia maty

Ka  n' iza  n' iza  nafangaro
Noheveriko hanamamy
Tsy naharitr'ela dia "hatsaharo"
Hoy aho tamin'izany

Tampoka teo.....

Hitako ho azy ilay toerana
Ary nihakely hatramin'ny tany
Raha ianao no hiverenana
Inoako fa tsy haroina dia mamy

       29/01/04

Hametraka hevitra

Midira aloha