You are here: home > Vetso

Tsihy ny fitiavako - Voromailala

Azo vakiana?

Norariako tsikelikely tao ampoko
Ny fitiavako anao ry tovovavy
Lasa tsihy,mafy tsy laitran-joto
Ka nivelatra ho azy

Ny hatsarapahaninao,nataoko fatotra
Nihazomako ireo taho
Ny tsikitsikinao kosa, nataoko lalotra
Nandokoko tsotra zao

Koa io ary ny tsihy
Sady mafy no mateza
Hanehoako ilay fitia
Avia re, ka meteza

Tsy misy tsilo, tsy misy lakoly
Fahalalahana tantareraka
Fa mety dolidoly
Na hitsoaka na hipetraka          

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha