Noho izaho (Wong f.g)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy te hanili-keloka ho an'iza intsony
Hoe iza no nanimba sy namotika ny fony
NOHO IZAHO sy ny fitiavany nomeny
Izay tsy haiko notantanana na niezahana tsy ho very

Naleony ny namoy ny fataony retraretra
Naleony ny hisandratra am' fiainana hafa indray
Nefa ny ahy tany aminy nisy Lahatra nametra
Tapitra hatreo hono fa efa tsy mandray

Indro loaka dobo roa kely sary kambana
Nisy varatra namely nitarika andro ratsy
Lalantsara nodiavina namoaka tampoka sampanana
Tsy maintsy teo no nisaraka , tsy maintsy teo vao tapa-batsy

NOHO IZAHO daholo izany rehetra izany
Noho ny fitiavantenako izay diso tafahoatra
Namotika ny fony sy ny fanantenany
Angamba dia tafiditra ao anaty sangy mihoatra

Tsy tiako ho simba intsony ny fony na oviana na oviana
Raha mbola resaka fitiavana , aleo izaho no farany
Satria tsapako fa tena mafy fihatra ny fangirifiriana
Aoka izay , aleo tsy hiverina ny ratra mira ny efa lasa .
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
322 1
Mpakafy: Wongfeiging813
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Wong f.g
Nampiditra : Wongfeiging813
Daty : 24/07/2022 19:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146