Ilay nantenaina (Wong f.g)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao vao tsapako ny ambadiky ridao
Ny ao anatiny nafenina hahajamba ny ivelany
Izao vao tsapako fa izaho dia kilalao
Nahita iray vaovao izy dia izaho no navelany

Tsy fahalalana ny fahadisoam-panantenana
Tsy fahalalana tokoa satria sahy nijoboka
Nanaiky ka izy nireharehana
Nefa injay fa nanatona ireo zana-tsipika arahin'afo tsy henatra hitomboka

Matetika ny varatra mikendry ny foko
Nalamatra izy ka feno fiarovana
Niaro ny fanantenana sy toky
Tsy nisy voakitika fa nolalolalovana

F'izao nisy nangalatra ilay nantenaina
Nisy nanafina ka indro izy tsy hita
Niezaka nitady fa herim-po very maina
Hery sisa no angonina hafahana miampita .

~ Wong f.g ~
11/06/22
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo - Fitiavana
343 1
Mpakafy: Wongfeiging813
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Wong f.g
Nampiditra : Wongfeiging813
Daty : 24/07/2022 20:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138