You are here: home > Vetso

Embona - XMen

Azo vakiana?

Ny lanitra manga
Mamiratra kanto toa tsikim-pitia
No indro mitranga
Arahin'ilay vorona tena tsara dia

Ny siokao manga
No reko. Ka dia nahalatsa-pitia
Ka aza mba gaga
Mahita ahy miantso hoe : Avia !

Nambabo ny fo
Nanaitra ilay hanina nikombona ela
zay sisa tavelan'
Ny tsiaro navalon'ny taona taloha.

Ry voro-mandalo
Mandalo! Miserana! toa mihelohelo
Mba midina hikalo
Hampitony zato senton'ny fo malahelo

Ny lanitra. Manga ?
Manjombona mainty toa tsisy mpitia
Fa nankaiza angamba ?
Noentin'ilay vorona niriaria.

Mombamomba

Mpanoratra : XMen

Nampiditra : zzorro
Daty : 09/01/2004
Mpamangy : 1044
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ranomasom-pahoriana
Ilay tokana iray