Ilay tokana iray - XMen
Azo vakiana?
Ny masony mijery toa mila hahafanina
Tena mafy, manintona! Sarom-patarina.
Ny tsikiny mamoly toa ody mahery
Manaitra mpandalo, manintona jery.
Ny famindrany mailaka, mitsatoka mora
Ny hanitra avoakany toa vonin'ny miora
Ny volony milanto, somary saritaka
Ny foko midoboka, mila hipatitaka !
Iny e, iny! Ilay tsara indrindra
Tompon'ny fitiavako, tsy azo afindra
Ilay hany mpajaka manampaka ny tontolo
Dia ny tontolon'ny foko iray manontolo.
Sokajy :
FITIAVANA
Mombamomba
Mpanoratra : XMen
Nampiditra : zzorroDaty : 09/01/2004
Mpamangy : 1488
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
EmbonaRanomasom-pahoriana