Ranomasom-pahoriana (XMen)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masoandro mody, tsio-drivotra tony
Misafo ny tavako, mamafa tomany
Mijery sa matory va re Ilay ao ambony ?
No dia manatsafa ny alahelon'ny tany ?

Indrisy, ô indrisy, fa dila nidify
Ilay fanantenako vao nitsimoka monja
Nirindrina ilay vavahady, nihidy
Nikarapoka mafy, moa tsy rindrin'ny fonja ?

Ilay hany mba nofy manginan'ny foko :
Dia ny fanantenana hoe eo anilan'ny tiana
No indro, nivinadika, tonga toloko
Toloko mangidy. Fiafarany, rahoviana ?

Ranomaso, fijaliana, toa areti-mifafy
No rivotra iainako hatramin'izay
Mangidy, mangidy, hatramin'ny tafy
Satria nandao ilay tiana, ilay tokana iray.

Nahoana, ô ry fiainana, no sompatra ianao ?
Nahoana no misy ny toa izao ?
Nahoana, noho ny fitia, no misy mijaly ?
Ny fitia, moa va tsy natao hahafaly ?
--------
Rohy:
1184 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : XMen
Nampiditra : zzorro
Daty : 09/01/2004 18:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011