Mafisa fo (Yajh_Aah)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity aloha sakaiza aoka hazava tsara
fa izy raha miteny : Tena tiako ianao
Dia io tsy mariazy ambony alitara
Fa mety koa hoe : Fitia kilalao

Diniho ihany koa ny toky izay omeny
Ny vavany mipetsona mivetso dinadina
Izy raha miteny sy manaiky manao "Eny"
Tsy midika fa maharitra ka sendra diso vina

Na mbola handohalika io na mety hitomany
hitory ny fitia lazainy mandra-maty
Dia aza mihitsy aloha mihaino teny mamy
Mahaiza ianao mandinika fa sendra olon-dratsy

Aza rarahiana ny masony mipitra
manganohano kely manao topi-maso
Tsy fantatra izy io na fampandriana adrisa
sendra hampisotro ny mangidy sy matsatso

Na inona fiangavy izay hitalahoany
Aoka tsy hampihontsona ny vatanao akory
Tsarovy foana hoe : anio io no mitory
Rahampitso kosa (indray), mety mampaory

Fa na izany aza , aoka tsy hampifila
hanaiky ihany 'nefa, mody io mamolaka
Tapaho ny hevitrao,rehefa hoe tsy mila
Tazony hatrany hatrany tsy misy olakolaka

#Yajh_Aah ( i Haja)
01/09/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
971 1
Mpakafy: yajh
Hevitra mandeha
Ajnal ( 25/09/2020 08:25)
Mankasitraka Haja a
yajh ( 26/09/2020 03:22)
Ajnal ==> Ianao no isaorana e! Mirary soa indrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yajh_Aah
Nampiditra : yajh
Daty : 03/09/2020 08:34
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136