Soa ihany misy anao_Hafatra (Yajh_Aah)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
>> Hafatra
Soa fa misy anao mba namana itokisany
Mahafantatra ny aminy ka henoiny teny
Raha izaho manokana matahotra ny ahiliny
ka hanafatra anao no sisa hany hery

Mahery saina aho fa kanosa anatrehany
ny hifanatrik' aminy, tsy vitako akory
matahotra ny foko sao ka hopotehiny
Tsy ho rarahiany na valiany mampaory

Ka iangaviako ianao handresy lahatra azy
F'ankoatran'ny sakaizany, dia misy any olona
Efa hatry ny ela no nijaly sasa-miandry
Naniry ny ho tiaviny, indrisy fa mionona

Mba lazao azy, fa ...
nanandrana nikipy hanadino ny fisiany
Notinefy antsaina fa "ho avy ny anjarako"
Mainka aza izany no nandrisika hampitsiry
'Lay fitiavana mangina voasoratra ho lalako

F'ankehitriny hoe, tsy tantiny intsony
ny taraina isan'alina ny volana tomaratra
Ianao no hany namany hitalahoako vonjy
Ahoana ny atao : fa tiako 'zay hitambatra

Saingy na izany,
Anontanio izy, raha mahatsiaro sambatra
Antratran'olo-tiany, tompon'ny fitiavany
Fa ianao irery no afa-mahafantatra
Ny zavatra iainany miafina ambavany

...

#Yajh_Aah (I Haja)
06/06/2020
--------
Rohy:
753 3
Hevitra mandeha
ikalamako ( 28/08/2020 08:29)
azafady fa diso ny nanononako ny anaran'ny mpanoratra ;)
Eto vao tazako iry ambany iry hoe i Haja = Yajah kay moa izany no tokony ho izy.
yajh ( 02/09/2020 03:36)
Ikalamako : Tsy maninona ka, misaotra betsaka anao o, dia mirary soa indrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yajh_Aah
Nampiditra : yajh
Daty : 27/08/2020 02:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1018