REHEFA TSY MANDOTO DIA EFA MANADIO (Yajh_Aah)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malagasy o! Mba hiteny kely
Tato ho ato manko, be ny fako niely
Anaty lalan-kely, indreo fa toa mitoby
Iza anefa no antony, mba lazao hoe zovy?

Isika samy isika no manapoizin-tena
mandoto ny tontolo, manimba firenena
Tandrovy re ny loto, kajio ity tanĂ na
Fa izay madio no tomady sy salama

Indraindray manko toa fahazaran-dratsy
Raikitra tampisaka ao an-tsaintsika Gasy
Ilay manipy fako: "Manandevo ny hafa"
Hoe isan'andro tsy maintsy misy hamafa

Ny toe-tsaina re! Miangavy mba ovao
Ny loto miangona dia loza mitatao
Mitondra aretina 'zay mety hiparitaka
Isika avy eo no voa no sady ripadripaka

Ka teny no atsipy mba entina misaina
Mateti-piavy mantsy : Mpitondra no latsaina
Rahefa misy loza tonga ankehitriny
dia ry zareo ambony no anoloran-tsiny

Ka aoka ho sarotiny isika Malagasy
ajanony hatreo 'reo fahazaran-dratsy
Entaniko ianao: ny fiaina ovao anio
Rehefa tsy mandoto dia efa manadio

#Yajh_Aah
16/08/2020
--------
Rohy:
561 1
Mpakafy: yajh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yajh_Aah
Nampiditra : yajh
Daty : 08/09/2020 06:24
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159