Ho anao (yarnjat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho raisinao ve ny fifonako
Raha ho avy aho hilaza ny hadisoana
Hanambara fa ity aho mbola vonona
Ary hamela anao ka hanadino irony lasa

Mbola tianao ve ny hamerenana indray
Ireny nofinofintsika hatramin'izay
Ireo rediredy faniriana avy ao am-po
Izay mbola tsy nosainina ho fitiavana tokoa

Mbola ao aminao ve ilay fitiavana fahiny
Fa tiko averina indray mba hitohy ankehitriny
Ilay izaho sy ianao nifamihina mangina
Saingy zava-nisy tamin'ny fahiny nivadika ho faniriana

Mbola an-tsainao ve ireo rediredin-tsika roa
'Lay natao hoe hanihany vokatry ny fo
'Reo tantara lasa efa nivalona ho iray taona
Ankehitriny isika samy miandry ilay fotoana

Mbola fanirianao ve ny ho ahy
Saingy izaho ilay namadika tsy nahy
Izay tsy nohenoiko akory ny bitsika fitia
Ankehitriny ianao tsy hita vao nantsoiko hoe avia

Mbola tadidinao ve ny anarako
Ny fisiako ny momba ahy sy ny tantarako
Fa tsy tsapako akory hoe fantrao izany
Fa atreto ny fianinako dia ranomaso sy tomany


Yarnjat
--------
Rohy:
1330 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarnjat
Nampiditra : yarnjat
Daty : 02/07/2014 04:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016