Ma décision (yarnjat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hosoratako ho anao ity tononkalo ity
Hosoratako ho anao hangalako ilay fitia
'Lay fitia izay natolotro
Nahalalako fa voafitaka ny molotro


Hatramin'izay adala aho nitia anao
Alahelo, hirifiry, ranomaso nozakaiko
Saingy indrisy fa nataonao kilalao
Nefa izaho naharary hatramin'ny aiko


Eny, tapa-kevitra aho ankehitriny
Fa hamafa ny momba anao rehetra
Ireny lasa nofinofin'ny fahiny
Nofinofy tsara nefa indrisy nanam-petra


Eny, sarotra amiko izany
Indrindra ianao ilay voalohany
Nefa na hafaliana na tomany
Tsy maintsy miafara rehefa nisy fanombohany


'Lay nofinofintsika ho mandrakizay
Ho foanako ato an-tsaiko fa nofinofy izany
Izaho sy ianao 'lay naniry ny ho iray
Nampiononako ny foko fa rediredy ihany


Eny, mafy ny mandao ilay tiana
Nefa izaho manina olon-tsy mahatsiaro
Efa niandry ihany aho hoe rahoviana
Ilay fitiavako vao tsy hifangaro


Angamba izaho no tsy nahahritra
Ny setrasetran'ny fitia
Tsy anjara ho ahy ny ho finaritra
Hiaraka aminao mba ho doria


Saingy nofinofy izany
Rediredy ihany
Hadalana foana foana
Sentosento nampisaona


Yarnjat
--------
Rohy:
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarnjat
Nampiditra : yarnjat
Daty : 02/07/2014 03:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1041