ekeko tsotr'izao (Yhardina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko ahoana no fandà
Rano ho sotroina
Raha efa nikiriako mafy
Nandaniako ron-doha
Ny ahitako loharano
Iboiboika ao am-po

Ataoko ahoana no fandà
Fiposahan'ny masoandro
Raha ny niainako hatrizay
Aizin-kitroka miaro
Oram-baratra mikija
Lavitry ny hazavana
Raho-mainty no mba hita

Ataoko ahoana no fandà
Sakaiza mahatoky
Raha fahanginan-dava reny
Oria namana mazana
No mamono karajia
Tsy mba nisy nitafana

Ekeko tsotr'izao re!
Iny tananao mitsotra
Hanarina ahy zay lavo
Iny ody entinao
Hamelona,hitsabo
Iny sandry anananao
Ho andry ianteherako

Iny fonao zay mitepo
Izay hany sisa reko
FAHASAMBARANA ho ahy
--------
Rohy:
1110 1
Hevitra mandeha
msa ( 03/11/2020 17:23)
tena tsara ilay izy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yhardina
Nampiditra : yhardina
Daty : 18/06/2013 08:48
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097