sitrako ry Tompo (Yhardina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sitrako ry Tompo
Eny,sitrako hatrany
Ireo zay nosoratanao ho ahy
Ho diaviko eto an-tany

Fantatrao ny faniriako
Ireo nofinofy ato am-poko
Ka na igokako ranomaso
Mbola sitrako ry Tompo

Fa Ianao no mahalala
Izay tsara mahasoa
Aminao ny fahendrena
Ka izay tinendrinao ho ahy
Ankasitrahana, ekena

Fa na ho mora na ho mafy
Izay tianao re no tiako
Fa izao no hany fantatro
Ianao no fifaliako

Ka izany no ilazako
Fa ny sitrakao no sitrako
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1019 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yhardina
Nampiditra : yhardina
Daty : 18/06/2013 08:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141