Lifero (YRomy RAVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hileferiko isan’andro fitiavana
Higohako mangindy tsy misy fetra.
Hafoizako aina tsy manampetra.
Leferiko isan’andro fitiavana
Tsy hay ho tomombona fa…,
Mampanontany tena.
Sa…Iza moa tsy hiarany?,
Nefa leferina iany.

Injato ilay fo ratsy miharihary,
Mampitebiteby,mampihorohoro.
Ilay tahotra tsy hay lazaina,
Tsy fantatra raha fitia va?
Vola va,sa efa fiainana ?.
Nefa leferiko iany fitiavana

velon-taraina ny olana ,
Korontana ilay fiarahamonina,
Tsy mahalefitra foto-pitiavana.
Hany ka misarabazana fony velona,
Ka,Tsy ho faty afo am-po.
Lifero iany ilay fitia mampisento.
YRomy Ravelo
Sento, Martsa 2024
--------
Rohy:
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : YRomy RAVELO
Nampiditra : yRomy RAVELO
Daty : 29/03/2024 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143