MIANGAVY FITIA (YRomy RAVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
***MIANGAVY FITIA****
Koboniko tsy tana ilay fo.
Te hanontany foana hoe aiza
Tehiriziko tsy zakako
Ilaviko tsy lefy ilay mitia
Tsy vao omaly fa hatrizay.

Adala tokoa moa ny fo
Sahirankiram-poana
Tsy te alala izay hanjo
Fa ny tiany dia tiany iany
Tsy sasy hibabo ilay tsy tiany.
Ka ny manta vary aza.
handevenan-trotro be.

Koboniko miharihary,
Ilay Fery tsy mety sitrana
Fo manambara fitia
Zary te hararirary
Noho anao ilay tiana
Fa mba hekeo ra malala
Raha toa ka sitrakao.
YRomy RAVELO
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
807 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : YRomy RAVELO
Nampiditra : yRomy RAVELO
Daty : 02/03/2021 07:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103