MISY VONINKAZO.... - ZO-NILAINA
Azo vakiana?
Misy voninkazo,
Eny an-tany karakaina
Milofika, malazo
F'iantefan'ny andro gaina.
.
Misy voninkazo,
Eny an-tendrombohitra avo
no manangasanga irery,
Miandrandra anao hijery.
.
Misy voninkazo,
velombelon'aina:
Mirehaka sy ravo
Fa voakolo an-jaridaina.
.
Fa misy voninkazo,
Efa fay ny nahazo,
Ka mandrakotra ny felany
Tsy hahasarika ny tenany.
.
..............ZO-NILAINA
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ZO-NILAINA

Nampiditra : ZO-NILAINA
Daty : 01/07/2018
Mpamangy : 1093
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
......AHY IANAO.ARAHABAINA iNENY
HO SORATAKO IHANY.
MITIA.