You are here: home > Vetso

FA NA AZOKO AZA MANTSY... - ZOZORO

Azo vakiana?

Fa na azoko aza mantsy izao tontolo hita izao
          Nefa aho ilaozanao
Dia tsy hisy hasambarako amin'izany fomba izany
         Fa izaho hitomany.

Fa na azoko aza koa ny haren-drehetrarehetra
         Sy ny haja tsisy fetra
Kanefa tsy hitako ianao, rehefa tsy eo anoloako
         Dia manjonotra ny foko.

Fa na azoko aza anie irony vola sy harena
        Notolorana aho, nomena,
Nefa ianao tsy tia ahy dia ho fara-ory aho
        Ka hajoron'ny talaho.

Fa na azoko aza mantsy ny fitiavan'ny tontolo
       Izaho ve ho velom-bolo ?
Raha toa ianao tsy anisany amin'ireo tontolo ireo
       Dia naleoko tsy nankeo.

Fa na azoko aza anie ny fahaizana sy hery
       Nefa aho mitoetra irery
Tsisy voka-tsoa tokoa, fa ny hasambarana eto an-tany
       Dia ny hahita anao ihany.

Fa na azoko aza mantsy ny fanahy maminany
       Izaho ve tsy hitomany
Rah'tsy tia ahy ianao ka hiseho hankahala
Izaho ve tsy ho lasa adala ?


Zozoro


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tsikikely (20/08/2008 11:21:09)

Mbola tsy adala ianao fa ao anaty fisaonana, loary daholo ny ao am-po dia maniry tononkalom-pitiavana hoatra ny lohataona amin'ny manaraka. Mankasitraka !

Rajordri (21/08/2008 21:14:49)

Andriamanitra angamba ity resahina eto ity.

tsikikely (22/08/2008 14:16:50)

Raha Andriamanitra no resahina, efa nomeny ny Zanany hamonjy ahy sy Ianao ka tsy dia mahavaka ahy ny foto-kevitry ny asa soaratrao.