HO AVY (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY

Fa ho avy ny ora izay nandrasana ela
Tsy maintsy ho tavela
Na dia silanofo tsy te-hitampody
Fa tsy maintsy mody
Tsy azom-panafana n'iza mahay
Amin'izay ora izay
Rehefa voahantso malia toy ny raty
Fa tonga ny faty.


Ny nofo malemy hiverina ihany
Hakamin'ny tany
Hiondana vato tsidrian-drangolahy
Na vavy na lahy
Izay fanirina tsy vita taloha
Dia afoy avokoa
Ny fahalovana sisa andrandraina
Fa razana maina.


Ny fanahy kosa andeha hivahiny
Amin'ny toerana tiany
Ny lanitra izany d'ilay Paradisan'
Ny anjely alin-kisa
Amirapiratan'ny fahasambarana
Mba hisantarana
Misy ny fiainana vaovao indray
Sy mandrakizay.


Ny havana mamy, ny sakaiza tiana
Tsy maintsy mangina.
Tsy hahavita inona, tomany ihany
No heriny hatrany
Kanefa tsy rano hiverenan'ny lasa
Nitsaha-dahasa
Izy tsy hita hiverina intsony
Nikoro ny fony.


Ny hirany sisa kaloina ombieny
hiraina eny ho eny
Dia tsaroana indray ilay lasa nandao
An'izao hita izao.
Anatin'ny hirany mamelovelon'
Ny fo malahelo
No misy ny hendriny toy ny fahiny
Tavela ankehitriny.


Aza tabaina ny fahatsiarovana
Mahatorovana
Toneo ho tony ny fa sao dia hanjary
Handratra, hankarary
Ilay eritreritra lasa miampita
Ny tany tsy hita
Averimbereno mba hody ao an-tsaina
Tsy handreraka aina.


Ny toerana maro niaraha-nifaly
Ka mety hampijaly
Iatakatao, alavidaviro,
Andosindosiro
Fa mety ampirongatra ny andro fahiny
Ilay nivahininy
Ka hanjary fery, hanjary ratra
Tsy hahafoy ny tratra.

Indraika isan-taona ny fasa-mangina
Mba vangivangina
Amboara voafidy, voafantina eny
No ento mankeny
Ankoatr'izay, antsoy hanoloana
Ny fanadinoana
Antsoy ho namana hisolo ny lasa
Sy hiaraka hiasa.


Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1176 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 06/02/2009 09:43)
Mpanao hosodoko angaha ianao ???
Tsy ny tànanao no nanoratra io fa ny fanahinao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143