i DADA (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I DADA

Dada fiangotiana tsy eto intsony
Fa lasana niampita
ka tsy hita.
Folaka ilay andry niankinana,
Potika sy toro
ilay fehizoro.

I Neny anie ka maina
sy mangaina,
Misento lava izao
tsy eo anilanao,
Misaina ireo taona maro niaraha
nilaozanao nandeha namboatra lalana.

Dada ô!
Matokia
ka matoria,
Ny hafatrao napetraka
Ho tanteraka,
Mandria ampiadanana satria:
I Neny, ny zanakao miharadia.

Dada fiangotiana tsy eto intsony.
Tsangambato ato ampoko ny fisiany.
--------
Rohy:
2660 2
Mpakafy: benasy - Zozoro
Hevitra mandeha
benasy ( 29/06/2009 09:40)
Tsy maty akory izy fa matory... Tena kanto ity voninkazo atolotrao ho azy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149