NAHOANA ? (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA ?

Ato anaty haizina ato*Ianao no sainiko mangina
Eritrreritro tsy miato
Irony andro nifaliana
Lasa indray ny tomany
Tonga koa ny sentosento
E! milaotra ny vinany
Fa nahoana ianao no tsy eto ?

Ny alina mandroso foana*Izaho mbola lavi-tory*Io fa hitako anoloana
Ny endrikao toa oriory
Hitako misavika ahy
Hay ka nofy ihany izany
Manontany ny fanahy
Nahoana ianao no lavitra any ?

Efa ho avy ny maraina*Injany Siokam-boron-kely
Sambatsambatra ny miaina
Mikarenjy sy miely
No heno ao ambadika ao
Izaho lasa vetsovetso
Fa nahoana ary ianao
No tsy hitako eto anilako eto ?

Ato anaty haizina ato
Mbola ianao foana
No eritreritro tsy miato
Maika aho hifanantona
Fa nandrakitra fitia
Te-hanolotra azy anao
Efa maika hiara-dia...
Mety ho hitako ianao ?
--------
Rohy:
1067 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 26/03/2009 10:39)
Akimpio ny masonao ka nofiso ilay tsikiny. dia hohitanao eo "izy"!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146