NIOVA HO HIRA (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIOVA HO HIRA

Ireny tafantsika ireny
Ny korana tany ho any,
Ny asa vita teny ho eny,
Ny hafaliana sy tomany,
Indray mitambatra ho dina,
Indray niorina ho tantara,
Lasa amboaram-paniriana,
Niova ho hira tsy hay ambara.

Irony sentosentonao
Rano niorika mazana,
Alahelo lava izao
Lavin-kavana hiampitana
Dia nihondrika hitomany,
Ireny rehetra rehetra ireny
Mbola niova ho hira ihany
Henonao teny ho eny.

Irony ftebitebin-tsaiko,
Ny toloko izay manjo
Raha nahita anao lalaiko
Nitomany tao am-po,
Niova ho hira, henonao
Ho fampiononana ny tiana
Isan'andro vaky izao
Rah'vao tojo faorina.

Ny toeranao sy ny ahy,
ny lalana niraisantsika,
Ny alin-tsento mampanahy,
Ny nofinofy mamintsika,
Ny fisarahana tsy fidiny,
Fifanantonana, nandao...
Niova ho hira soa ny ngidiny
Dia nokaloiko ho anao.

ZOZORO
--------
Rohy:
1053 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
benasy ( 12/01/2009 10:12)
….Nitia aho nitia (….) fanahy
Mbola injany ( …. ) ilay fitia tsy mety levona.
Aoka anefa, sanatriaviko, aza manana ahiahy ;
Tsy mba sitrako mihitsy raha ny jaly no hitrebona !
Nitia aho, nahay nangina, nitia tsy mba nanantena,
Raiki-tahotra kanefa saro-piaro tamin’izany ;
Fitiavana malemy paika, fitia tsy mba noterena…

Solofomanjato
petakoel ( 15/01/2009 06:41)
tena mety b amiko le kalonao. (fitiariela)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139