RY FOKO, (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FOKO,

O! ry foko ny anao dia eritreritra ihany
Ka hatramin'ny ela, ny ho avy mbola hijanona ho izany
Tsy heveriny akory, ndeha mitady izay mba tia
F'iny maminao iny tsy ho hitanao doria.

O! ry foko mitsahara, aoka izay ny fahorina
Aoka izay ny alahelo, fantatrao fa fifaliana
No omen'ny fiononana, tsy anjaranao iny
Adinoy ny andro mamy niarahana fahiny.

Izy tia any ho any koa nahoana ianao no miory ?
Ny andro lasana rehetra, izany tsy tsaroany akory
Na ny hira kanto indrindra niarahana nikalo
Nahalina ny voahary, nahagaga ny mpandalo.

Mivonona mitraka, fa ianao angaha adal ?
No hanorina fitia amin'ny olon-tsy mandala ?
Ny arosy miova lasy raha voahantso any ho any
Mandehana koa ianao ka manaova toy izany.

Vavaka no ampiankaro isan'andro isan'ora ;
Ny ambom-po koa ampiasao fa izany no maha mora
Ny adim-piainanao rehetra mafy indrindra sy mandratra
Avelao ny fitia ho bobongolo ao an-tratra.

Zozoro
--------
Rohy:
1171 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 05/02/2009 10:58)
"Moa tsy zava-kanto izany ?"
Tsara loatra !!!
nyratsima ( 31/07/2009 10:43)
Mankasitraka ! miteny ny tononkalonao !tsara loatra
Nirilala ( 31/07/2009 22:11)
Tena kanto. Raha misy diso fanantenana mamaky ity tononkalo ity dia mitraka avy hatrany
Mysento ( 01/08/2009 03:37)
Mitombona zany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138