Ilay safidinao (oceane)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fa misy fanantenana
handray ilay hafatrao
fa misy fo iray
miandry izay ho lazainao

kanefa ianao tsy taitra
fa lasa tsotra izao
ka na ny hamarana aza
tsy vitanao natao

tsy mampaninona ahy
fa fantatro tsy nahy
na tsy ho lazainao
fa izy ilay vaovao

ny hanadino anao
toa tsy vitako hatao
ny tsy hierika ireo lasa
toa mbola tena asa

tsy te hahita intsony
ity foko tena tia
tsy te harary intsony
ity izy resy ity

fa any ianao izao
miaraka aminy any
izaho navelanao
hirotsaka tomany

efa fantatrao
fa amiko hangidy
raha toa ka holazainao
fa izy no ho finidy

fa fara ngidy kosa
ity ianao kanosa
namela ahy haminany
izany safidinao izany.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1347 1
Fans: riina
Commentaires
SOBIKA ( 28/04/2006 07:42)
ndryyyyy mifampitohy tanteraka ireo anganasanao teo aloha sy to !!! mifameno tsara ary tspa avy hatrany ny tiana ho lazaina!!

ho an ny poeta dia ao anatin ny fangirifirina mazana haitana trangantsoratra mahavariana tsy ampoizina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : oceane
Inséré par : nahrindra
Date : 11/05/2005 14:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158