" NY FAHATONGAVANAO " (Ramy Rabefitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“ NY FAHATONGAVANAO ”


Mila tsy ho andriko ny andro ‘zay tavela
tsy hahatongavanao.
Manjary kilalao
ny fanisàko ny ora. Satriko aza izany
ka ny andro vao mifoha, ho alina avy hatrany !
Izay no hahafaingana ny hahitako indray
‘lay endrikao tsy foiko, nofisiko hatrizay.
“Lala à, aza ela” !


Tsy misy ts’hilazako ny hahatongavanao
rehefa olom-pantatro.
Nefa hay, tsy takatro
f’izy rehetra ireny, hatramin’ny sakaizako,
mihevitra ahy ho adala noho ny “fahamaizako”.
Tsy ahoako anefa izao rehetra izao
miohatra amin’ny andro hahitako anao
izay andrandraiko izao.


Ny fientanam-poko ? –Tsy hitako holazaina !
Feno ny hafaliako !
Ka ny fahoriako,
ny embona sy hanina, nisinda toa tsy teo.
Dia hoatry ny efa reko hatramin’ny anikeheo
ny fihantahantanao mitafasiry amiko.
Toa hitako mihintsy ‘lay endrikao andrianiko !
“Tongàva, sombinaina !”



Ramy RABEFITIA
(1er Juillet 1971)
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - embona
1735 3
Fans: Aro-Zo - hassa - urel
Commentaires
Malalason ( 23/06/2006 04:18)
tongava haingana ianao fa sasa-miandry i Be e!
tsara e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ramy Rabefitia
Inséré par : mimalike
Date : 15/06/2006 10:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136