AMPY HITIAVAKO ANAO (ROJOSALOHY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPY HITIAVAKO ANAO
Tsy fantatro ny ao anatinao......
Tsy fantatro hoe rehefa maninona aho vao latsa-paka ny fitiavanao ahy
Ny ahy mantsy, ampy hitiavako anao ny tontolonao
Ampy hitiavako anao ny tontoloko
Ampy hitiavako anao ilay hazo fijaliana nolanjaiko noho ianao
Ampy hitiavako anao ireo tsy firaharahianao ahy mazàna
Ampy hitiavako anao ny fisentoako noho ireny
Ampy hitiavako anao ny ranomaso mangidin'ny fitiavako
Ampy hitiavako anao tanteraka ireo teny mamy omenao ahy
Saingy ampy hitiavako anao kokoa raha mba porofoinao amiko ireny
Ampy hitiavako anao ny hajejoan'ireo masonao
Ampy hitiavako anao ilay fandaozana indraindray mihatra amiko
Ampy hitiavako anao ny tolokon'ny aingam-panahiko
Ampy hitiavako anao ny siakan'ny fitiavako
Ampy hitiavako anao ny fankahalan'ireo mpanenjika ahy
Ampy hitiavako anao ny sahan'ny fiainako
Ampy hitiavako anao ny tontoloko
Ka ny fiainako rehetra ho ampy hitiavako anao.......

ROJOSALOHY
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1476 1
Fans: rojosalohy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142