Gasikara Tanindrazako (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasikara Tanindrazako

Tiako ianao ry Gasikara
Nalatsahan'ny tavoloko
Niainako ny fahazazana
Namaritra ny fiaraha-moniko

Dia tonga koa ny hatanorana
Mbola ianao no notononiko
Matoa kinasa ny tantara
Ny teninao no notononiko

Ny fahaterana ho avy
Mbola ianao no ho tazoniko
Hitoetra anilanao ihany
Satria izay no nofinofiko

Tiako ianao ry Gasikara
Ka ijoroko hatrany am-para
Ireo taranako ho beaziko
ho tia anao tsy hisalasala.

Tanin-dray sy tanin-dreny
Ho lalaiko ombieny ombieny
Tsy iza fa ianao ihany
Ilay Tanindrazako malala!

Tatamo Ravaky Ny Farihy
22/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
881 1
Mpakafy: Masoandroko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 22/07/2016 03:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141