Fisarahana (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy mety maty ato am-poko
Izay fisarahantsika izay
Fa ankahitriny dia mbola tsaroako
Toa vao omaly no nandratràna ahy

Hariva ny andro tamin'izay
Nangina tamiko izao tontolo izao
Dia tamim-po nangahiahy
No nanaovako Veloma anao

Dia teto amoron'ity rano
No nifamihinantsika
Ny masonao nanganoano
Ny foko reko toa nitritra

Horoka iray sisa
Sy peratra iray izay
No hoe nifamatorantsika
Sy voady ho mandrakizay

Dia indro ny fijerinao
Nitopy ka nibanjina ahy
Ka tamin-tsento no nilazànao
hoe:"AZA MANADINO AHY!"


Rado t.a.(aladin)
--------
Rohy:
18907 5
Hevitra mandeha
bichette ( 17/05/2004 07:20)
Aladin, mankarary fo daholo ny tononkalonao. Mahereza e !
intime ( 17/05/2004 08:33)
misaotra mampahery ôô!
aladin ( 17/05/2004 08:37)
deinn!!!ngah i intime kou no hampaherezina eo?
intime ( 18/05/2004 12:12)
aladin:tsy hoe i bichette nge no isaorako fa le tononkalonao no mampahery na de sady mampalahelo aza de izay no isaorako anao e!
aladin ( 18/05/2004 12:14)
hay ve e! ianareo mpamaky aza no isaorako bdb mampahery sy maneho hevitra toy izao fa raha tsy izany de toy ny hoe tsy misy miraharaha le tononkalo.
Sara ( 24/05/2004 07:53)
tsara be ilay izy ry aladin fa ataovy mba mitsiky indray @ manaraka e!!!
aladin ( 24/05/2004 17:23)
hihihi!mbola hiezaka e!
hendry ( 06/07/2004 16:13)
mmhhhh. Mankafy!
nyeja ( 04/09/2004 05:42)
aladin ! tsara ny fahaizanao mampita ny hafatra tianao ambara ! Ny Eja
Malalason ( 08/09/2006 11:33)
mmmmhmmmm
ôôô mahatsiaro anao iny aho ...
souvenir iny tsy adino souvenir iny malala, mba manao ny andry f'izaho manina an'iny tsy haiko intsony raha tsy hisy fanindroany toa tsy hitony satria tsy ho hita intsony ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 17/05/2004 05:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126