Lazao azy! (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry vorona eny an'abakabaka
Mba vangio izay tiako izay
Lazao azy fa azy ny Fitiavako,
Azy irery Ho mandrakizay

Lazao azy fa tsy mba foiko
Ireny safosafo ,Teny mamy
Lazao azy fa alahelo sy toloko
No hianako raha lavitra azy

Lazao ho azy f'izaho dia tena tia
Na dia eo ny elanelan-tany
Tsy hivadika aho sanatria
Fa tokam-po hatrany hatrany

Dia lazao ahy izay ataony any
Na mbola tia na nanadino
Salama ve na koa marary
Ilay fitia izay nifanekena

LAZAO AZY TSOTR'IZAO
HOE:"IZY MBOLA TIA ANAO!
--------
Rohy:
8514 8
Hevitra mandeha
booboo ( 22/04/2004 09:18)
milay !
hendry ( 08/05/2004 11:58)
Raha nahay niteny tokoa manko ny vorona ka azo nampitondrana hafatra a
manjakely ( 10/05/2004 18:40)
tsara ô!mahafinaritra ny mamaky ny tonokalonao!
fifi ( 19/05/2004 09:21)
satria toky no nomeny anao dia ny hifankatia mandrakizay ianareo
hoe ny hanadino anao ve ? sarotra izany raha izay efa betsaka nifanaovanareo izay mahereza fa hisy andro hamiratra daholo ny fiainan'ny tsirairay ary zay andro zay dia hovolazanao azy ary ho lazainy anao!
aladin ( 20/05/2004 11:55)
hihihi!sôtsa eeeee!
baboune ( 29/07/2004 14:13)
Mafy marina anie ray olona zany misara-toerana izany e! Tena alahelo sy toloko tokoa.
Izaho aloha tsy te-hierika izany intsony e!
nyeja ( 02/08/2004 12:37)
lazao azy!
Eny sambatra izay nanoratanao an'io e mahereza !
raozylisy ( 02/10/2004 17:42)
miasaotra fa milay e!sady eo mihintsy aho zao!!!!
Malalason ( 18/12/2004 08:59)
tsy maninona fa izaho no hitondra ny hafatra aza matahotra ianareo fa tsy maintsy hitako izy raha tsy efa voasolo (Tandremo sao saro-piaro).
Malalason
domoinalove ( 26/01/2010 15:06)
Mafy le misara-toerana fa atao aôna fa izay no lahatr'e!tsara B le tononkalo ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 16/04/2004 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101