Teto na "ambatofotsy" (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto amin'ity toerana ity
Efa ho erintaona izay
No nifamborahanay fitia
Nilazàna izay tao am-ponay

Teto ilay toerana maminay
Mirakitra embona, fitia
Toa mbola hitako eto indray
Ireo lasanay,toa fy ery

Dia mbola teto ihany koa
Rehefa harivariva iny
No mba falehanay roa
Tsy nandrenesana hirifiry

Dia teto izahay no nitoetra
Nifampizara teny mamy
Adino avokoa ny sisa rehetra
Fa toy ny tsy tety an-tany

Fa mbola teto koa anefa
No nanaovana veloma farany
Satria hoe hetreo no fetra
Noho ny hetraketraka,hasompàrana

Ho fahatsiarovana an'Ambatofotsy
Rado T.A. na Aladin
--------
Rohy:
2462 2
Mpakafy: aladin - sarondrahona
Hevitra mandeha
nyeja ( 23/05/2004 18:38)
tsara ilay tononkalo ry aladin a , mahereza !
aladin ( 24/05/2004 05:03)
s^^otra tompoko ô!
rastefa ( 24/05/2004 15:13)
tsara sa ratsy io
Malalason ( 25/05/2004 09:27)
raha i R.JO na malalason no sendra mamaky na mahita tononkalo toy ity anao ity dia manaikitra indray ny ratrany efa holatra satria alaivo sary antsaina indray ianareo roa tamin'ny ora nifaborahanareo fitia, tsy haiko na kisendrasendra fa nitovy ny tantara niainan-tsika tsy haiko na ianareo no tonga aloha teny dia narahanay na tafaraka isika fa tsy nifankahalala te hifandray aminao aho fa misy tiako ho anotaniana anao mikasika ny fiainana am-pitiavana koa raha tianao dia valio amin'ity Email ity dida.rakotomalalason@caramil.com
na jereo fa misy tonon-kalo vaovao mitondra ny lohateny hoe Tangena dia toa io no sanganasako omeko topazanao maso, izay fa manao veloma ary manantena ny hitafatafa amin'ny manaraka raha mahaliana anao dia valio amin'ny ankapobeny dia tena tiako ilay tonon-kalo satria mitahiry tantara mamy tokoa iny Ambatofotsy iny nefa hoy aho aminao hoe raha izay fitia tsy nohajaina dia aoka hivalona hatreo !
ny naman'ise R.JO (Rakotomalalason Jean Olivier)
Sur e!
aladin ( 27/05/2004 16:03)
malalason>Ok!
tsalama ( 09/11/2004 09:27)
Hono ho'aho ry mpanoratra? Abatofotsy atsimo sa Avaradrano ilay toerana? :)
aladin ( 10/11/2004 22:08)
hihihi! ambatofitsy atsimo ry tsalama ah! ery amoron-drano iny @ RN 7 iny. fa aôna kay?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 23/05/2004 17:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148