You are here: home > Vetso

Ny orokao mamy - Andrimaranitra

Raha vao inay ny molotrao milatsaka imolotro
Tsapako miainga ho azy mialoha aloha ny ilan-tongotro
Mamihina ahy mafy moa ny tananao sady manoroka mikipy
Izaho koa mankafy mitsetsitra ny lelanao malefaka manify.

Na tsy manoroka ahy aza ianao nefa
Ny tsikinao no tsapako mazana oroky ny fanahiko anatiko miantefa
Asa izay tsiambaratelonao fa ny masonao amiko toy ny tangena
Tsy mangidy na koa mahafaty fa manaitaitra indray aza ny vatan-tena.

Ry ilay Andriambavilanitra tsy foiko
Ilay andriambin'ny foko.

Rindra - 09 Martsa 2014 - 2 folakandro sy fahefany

Hevitra mandeha

andrysecabi (09/03/2014 14:18:14)

Fehezam-boninkazo ho an'ny 8 martsa 2014

Hametraka hevitra

Midira aloha